- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Gadralava tra-tehaka teo am-pamakian- trano

Antohomadinika : Gadralava tra-tehaka teo am-pamakian- trano

Antsohihy, Mahajanga, Mandritsara ary Toamasina. Efa in’efatra nigadra tany amin’ireo toerana ireo ity olon-dratsy ity kanefa mbola tsy fay ihany. Tra-tehaka teo am-pamakiana trano indray ranamana tetsy Antohomadinika. Ary azo inoana, fa mety mba hanandrana ny fonja eto Antananarivo.

Ny voalohan’ny volana mey teo, dia lehilahy roa no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny PPA Antaniavo, noho ny resaka vaky trano. Solosaina fentin-tanana iray no nangalarin’izy ireo tamin’izany, saingy tsy lasa lavitra dia izao tra-tehaka izao. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena, dia tsikaritry ny tompon-trano ny lehilahy iray somary hafahafa fihetsika niditra tao an-tokantranony. Nihevitra anefa ilay tompon-trano, fa isan’ny mpiasa ao aminy ity farany ka tsy taitra, raha tsy izy nivoaka nandeha nitsoaka sy nibata an’ilay solosaina. Nifanenjehana avy hatrany ranamana. Ity farany izay tsy nahita haleha intsony ka nitsofoka tsy satry tao amina tokantranon’olona ary dia noraisim-potsiny tao. Rehefa nentina natao fanadihadiana izy dia nanoro ny namany iray, izay nosamborina teny Ankasina teny, ny ampitson’io. Araka ny fantatra, dia vao ny volana febroary teo izy no nivoaka ny fonja avy any Mandritsara rehefa avy nandalo tamin’ireo fonja maro hafa ankoatran’io. Omaly ireto mpamaky trano ireto no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary heverina fa nampidirina am-ponja vonjimaika.

nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici