Hatairana avokoa ny an’ireo mponina teny amin’iny faritra Antohomadinika iny. Olona iray mihohoka anaty rano, efa tsy miaina intsony mantsy no hitan’ny fokonolona nantsingevan’ny lakandranon’Andriantany, teny amin’iny faritra iny. Nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitra rehetra teny an-toerana ary natao ny fisarihana ny razana ho eny an-tanety. Efa somary simba tanteraka ity razana ity, raha ny voalaza. Ary tombanan’ireo mpitsabo ho efa nisy telo andro teo ho eo izy io no namoy ny ainy ary nilona tao anaty rano. Nisy namono sa latsaka tao anaty rano ? Raha ny vinavina rehetra aloha dia mizotra mankany amin’ity farany. Latsaka tanaty rano tany ho any angamba ary navalan’ny rano dia io tonga teo Antohomadinika. Na izany na tsy izany anefa tsy maintsy nanokatra ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana satria aina nafoy no resaka eto. Marihana fa nahitàna antontan-taratasy mahakasika azy, ny kara-panondrony sy ny fahazoan-dalana mamily tany aminy, raha ny vaovao azo hatrany. Efa tonga teny an-toerana moa ny sampan-draharaha miandraikitra ny fahadiovana avy eo anivon’ny kaominina, nitondra ny razana eny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly eny Ampefiloha.
m.L