Mitohy tsy mijanona ny ezaka ataon’ny polisy miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina eto amin’ny faritry ny renivohitra. Ny faha-16 desambra 2014, nanao fisafoana teny amin’ny faritra IVO Antohomadinika izy ireo. Tamin’izany no nahatratrarany lehilahy iray antsoina R. Pascal malaza amin’ny fivarotana rongony. Efa tamin’ny 5 ora hariva tamin’izay. Rehefa natao ny fisavana dia hita tao amin’io olona io ny fonosana rongony miisa hatrany amin’ny 1259, efa voavoatra hamidy, sy raraka rongony milanja 10 kg. Monina eny amin’iny faritra iny ihany ity olona ity.
Tamin’ny famotorana natao taminy no nilazany fa misy vehivavy avy any atsimo, izay tsy fantany ny toerana misy azy, mivezivezy ao aminy mamatsy azy ireo entana ireo. Vidiny 250.000 ariary ny iray gony ka tsinjarainy ho 500 Ariary ny fonosana iray avy eo. Araka ny voalazany hatrany, tsy hainy na mahazo tombony izy na tsia, fa ny fantany fotsiny dia mahavita ny fiainany amin’ny ankapobeny ny fivarotana rongony. Araka ny vaovao voaray hatrany, efa ela no nikarohan’ny polisy an’ity lehilahy ity ary izao izy vao tratra. Omaly no natolotra ny fitsarana ny anao lahy.
r.s.