Voalaza fa manana hery miafina manokana ingahirainy, izay entiny manao ny asa ratsiny. Tra-tehaka indray ny anao lahy ny faran’ny volana teo, rehefa avy nivoaka ny fonja vao tsy ela akory izay. Marihina fa, raha ny fanaparitaham-baovao, dia efa inefatra nigadra ingahirainy saingy toa tafavoaka foana. Asa noho ilay hery miafina ve ?
Vao 18 taona monja ity tovolahy ity kanefa efa ikoizana amin’ny asa ratsy ary tsy mitsahatra ny mivoaka miditra eny Antanimora. Ny talata lasa teo ity farany no tra-tehaka indray teny amin’iny faritra Antohomadinika, tonga hatrany 67ha iny. Hiditra amin’ny fanindiminy amin’ity indray ny lehilahy izany amin’izao, ary asa na rahoviana indray no mety hivoaka sy hanohy ny asa ratsiny.
Raha ny vaovao hatrany moa dia anisan’ny mampiaiky volana ireo lasibatra tamin’ity tovolahy mpanendaka ity, ny toa hoe fananany hery miafina izay ahafahany manao ny asa ratsiny. Voalaza hatrany mantsy fa raha misy olona tiany hangalarana ny findainy, indrindra fa ireo anaty fiara dia somary tondroiny fotsiny iny finday iny dia tsy tonga saina ilay olona tompony raha tsy efa lasany mora foana izany zavatra izany. Ankoatra izay ny fahaizana manokana mamaha io fatotra amin’ny tanany io rehefa tratra. Feo mandeha fotsiny ihany angamba raha ny marina, satria dia voaporofo fa izao tratra izao indray ingahirainy, eny fa na dia azo lazaina fa efa gadra lava aza. Marihina mantsy fa taona 2020 no tra-tehaka voalohany. Voasambotry ny pôlisy ary nadoboka am-ponja. Nivoaka teo dia mbola tratra indray ary nidoboka am-ponja dia toa izay hatrany. Iny faritra Antohomadinika, 67ha sy ny manodidina iny no voalaza fa efa nampitondrainy faisana tanteraka tamin’izany asa ratsiny izany.
m.L