- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Masera sandoka roa naiditra am-ponja

Antohomadinika : Masera sandoka roa naiditra am-ponja

Fisolokiana no anton’ny nampidirana am-ponja ireo masera sandoka roa. Nangalatra ny anaran’ny masera tena izy izay eo anivon’ny « communauté trinitaire » ao Ambatondrazaka sy Antohomadinika izy ireo. Izany dia nentina nangatahana vola sy fanampiana tetsy sy teroa. Nilaza ny hanangana fotodrafitrasa ireo « masera » ary milaza fa manana vovo-dronono sy menaka marobe amin’ny vidiny mora ho an’izay afaka mifanaraka amin’izy ireo.  Nisy ny tafaroboka ka namaly ny antso. Isan’izany ity olona izay nitory ity fa nandefa vola mitentina 15 tapitrisa ariary tamin’ny alalan’ny M-Vola kanefa tsy tonga ny entana ary rehefa nantsoina aza ireo « masera » dia tsy nandeha intsony ny findainy.  Avy amin’ny laharana nandefasana ny vola  no nanaovan’ny pôlisy mpanao fanadihadiana « réquisition » ka nahafahana namantatra sy namandrika ny iray tamin’ireo vehivavy. Efatra izy ireo no miara-miasa ao anatin’ny tambajotra ka telo no voasambotra. Ny roa no nidoboka am-ponja raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny iray fahatelo. Ilay iray farany izay mahafeno azy ireo ho efatra dia nolazain’ireo vehivavy fa nitsoaka ao any Maurice. Midika ity tranga iray ity fa mivoatra hatrany ny endriky ny fisolokiana eto amintsika…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici