Malaza ratsy efa ela, saingy vao haingana no tonga teny am-pototsofin’ireo pôlisy avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra, etsy Isotry ny fisiana toerana iray fitsindromana zava-mahadomelina mahery vaika, « héroïne » eny amin’ny manodidina an’Antohomadinika iny. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony sy fitadiavana ilay toerana, omaly. Tsy ela akory dia hita izany, ary tsy nahagaga fa dia mbola nisy olona iray tra-tehaka teo am-pitsindromana mihitsy tao. Tovolahy 23 taona, tratra ambody omby, tsy afa-niala intsony. Nosamborina teo no eo moa ilehio ary nentina nihazo ny birao hofotorana
Marihana fa isan’ny tafiditra ao anatin’ny hetsika manokana ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena entina hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ny fisamborana ireny mpidoroka sy mpanaparitaka zava-mahadomelina ireny. Ankoatry ny fanjonoana ireo tontakely, raindahiny amin’ny fanendahana sy ny vaky trano moa mazava ho azy. Fa amin’izay lafiny izay dia mpanendaka iray no tra-tehaka tsy lavitry ny mpivaron-kazo tetsy Antohomadinika omaly ihany. Tovolahy vao 20 taona monja, izay voasambotra teo am-panantanterahana ny asa ratsiny ihany koa. Mitohy tsy an-kijanona moa ity hetsika manokana ity eto an-drenivohitra ary handraisan’ireo kaomisarian’ny boriborintany rehetra, miampy an’Avaradrano sy Atsimondrano anjara.
m.L



