- Publicité SW45 -
mardi, mars 11, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Mpanaparitaka vola sandoka voasambotry ny polisy

Antohomadinika : Mpanaparitaka vola sandoka voasambotry ny polisy

« Vola sandoka 20.000 Ariary atakalo vola tena izy 10.000 ariary … » Roboka ny lehilahy tamin’ity bizina maloto ity. Saingy izy no tratra farany aloha ary nanefa avy hatrany. Ny herinandro lasa teo, nahazo fampandrenesana ny polisy fa misy mampiasa vola sandoka eo amin’ny Atody Antohomadinika. Nidina avy hatrany teo an-toerana ny polisy avy eo anivon’ny PPA Antaniavo ary nanara-maso ny olona voatondro. Mbola teo am-pividianana atody ilay lehilahy voalaza no tratra hoy ny vaovao, ary voka sandoka no nokasainy hanaovana izany. Natao avy hatrany ny fisavana ny kitapo teny aminy ka nahitana ravina vola sandoka 20.000 Ariary miisa16 tao aminy, izay mitotaly 320.000 Ariary teo ho eo. Nentina natao famotorana avy hatrany ity farany ka tany no nilazany fa « misy lehilahy iray manome azy vola sandoka 20.000 Ariary ho takalon’ny vola tena izy 10.000 Ariary. Niaiky ny heloka vitany izy ary nanambara fa efa fanin’efany no nanao izao vola sandoka izao » Efa natolotra ny fitsarana moa ingahy mpanao vola sandoka ity ary nadoboka am-ponja tsy nisy alaharo alaharo, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy. Mbola mandeha kosa ny fanadihadiana sy ny famotorana ataon’ny polisy, hikarohana ireo namany. Raha izao toe-javatra izao mantsy dia mety ho maro no tafaroboka ao anatin’io bizina maloto io. Tsara marihana anefa fa tsy mijanona ho soratra fotsiny eo amin’ny ravim-bola ihany iny andinin-dalana milaza ny fanamelohana hiasa an-terivozona mandra-pahafaty ny mpanao vola sandoka fa tena mihatra tokoa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici