Hatrizay dia karàna miliardera no lasibatry ny fakàna an-keriny. Ity indray kosa dia mpandeha taxi-brousse avy any Ambatondrazaka no nisy naka vao maraina, tetsy amin’ny fiantsonan’ny fiara fitaterana tetsy Antohomadinika. Raha araka ny vaovao nampitaina taminay, dia olona efatra izy ireo no niara-niainga avy tany Tanambe (Alaotra), ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro. Mpivady ny roa ary ireo ambiny kosa dia tanora roa lahy izay mbola tsy niakatra teto An-drenivohitra mihitsy. Izay rahateo no antony nampiarahana azy reo tamin’ireo olona roa mpivady mba hanampinampy azy amin’ny fanoroana ny lalàna rehefa tonga eto Antananarivo. Tonga vao maraina be ny fiara omaly, tetsy amin’ny fiantsoanan Antohomadinika. Fanaon’ny olona, mba hialàna amin’ny fanendahana isan-karazany, ny miandry masoandro miposaka vao miala ao anaty fiara. Dia mba nanaraka izany koa izy roa lahy. Nisy fotoana anefa nivoaka kely ny fiara mba hivalan-drano. Teo no nanomboka tsy hita intsony. Nokarohina teo amin’ny manodidina rehetra kanefa tsy hita izay nanjavonan’ireo olona roa. Rehefa izany dia nantsoina ny finday teny amin’izy ireo ary teo no nahafantarana fa zavatra hafa mihitsy no nitranga. Ireo jiolahy no namaly ary nilaza fa mila vola roa hetsy ariary ho solon’ireo takalonaina. Nampahafantarina avy hatrany ny fianakavian’ireo roa lahy ary omaly dia efa nandeha ny fifanarahana. Nangataka ireo jiolahy ny handefasana ny vola amin’ny alàlan’ny finday ihany ary nandà ny sosokevitry ny fianakaviana ny hanatona azy ireo mba hanomezana an-tànana ny vola. Hafahafa ihany ny fitrangan’ity raharaha ity…
D.R