- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Mpanendaka roa lahy nadoboka am-ponja

Antohomadinika : Mpanendaka roa lahy nadoboka am-ponja

Faritra mena amin’ny resaka tsy fandria-mpahalemana, fa indrindra ny resaka sinto-mahery sy fanendahana raha iny faritra Antohomadinika sy ny manodidina iny. Tsy vitsy ireo olona no mitaraina sy mametraka fitarainana eny anivon’ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra. Antony iray nahatonga ny fisafoana andro aman’alina eny an-toerana fa indrindra amin’ireo faritra voalaza fa ho tokotany filalaovan’izy ireo, toy ireo elakelan-trano sy ny toerana fiandrasana «bus». Ny faran’ny herinandro lasa teo, nandritra izay fisafoana izay indrindra no tra-tehaky ny pôlisy teo am-panaovana ny asa ratsiny ny mpanendaka roa lahy, 18 sy 34 taona. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy hatrany dia isan’ireo tontakely rain-dahiny sy efa nokarohina fatratra izy roa lahy ireo, nampitondra faisana olona maro teny an-toerana sy ny manodidina. Natolotra ny Fampanoavana omaly izy roa lahy ireto ary fantatra fa nadoboka am-ponja avy hatrany etsy Antanimora.

Fa ankoatra izay, mpangalatra iray no tra-tehaky ny pôlisy tetsy Ambolonkandrina, omaly tokony ho tamin’ny roa ora maraina. Raha ny fampitam-baovao azo dia avy nangalatra vavahady vy ingahirainy. Nitsotra avy hatrany moa ity farany, tao anaty famotorana fa tena avy nangalariny izany vavahady izany. Notazomina eny amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa moa ity mpangalatra ity, miandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici