- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Mpanendaka roa lahy tra-tehaka niaraka tamin’ny sabatra

Antohomadinika : Mpanendaka roa lahy tra-tehaka niaraka tamin’ny sabatra

Tsy menatra ny manindrona antsy na mampiasa ireo zava-maranitra eny an-tanany mihitsy amin’izao ireo mpanendaka, raha vao miseho ho manohitra azy ilay lasibatra. Efa maro ny fitairanana azon’ny teo anivon’ny pôlisy, mahakasika izany tranga fanendahana miharo vono izay, indrindra fa eny amin’ireo faritra mafana, toy ny eny amin’iny faritra Antohomadinika sy Antaniavo iny. Nisy araka izany ny fisafoana tsy an-kiato nataon’ireo mpitandro filaminana teny amin’iny faritra iny. Vokany, roa lahy 26 sy 42 taona no tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny, ny sabotsy sy ny alatsinainy lasa teo. Samy mbola tratra teny amin’izy ireo avokoa ny sabatra sy ny antsy lavalela fampiasan’izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny.

Ny fampitam-baovaon’ny pôlisy hatrany no nahafantarana fa ny iray tamin’izy roa lahy ireto dia efa tsy zoviana amin’ny sampandraharahan’ny pôlisy intsony, noho izy ireo efa ifampitadiavana. Raha ny voalaza dia efa maro no nampitondràiny faisana tamin’izany asa ratsiny izany.

Nentina natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ireo, izy roa lahy ireto ary natolotra ny Fampanoavana ny andron’ny alarobia teo. Mazava ho azy fa nadoboka am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici