- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Mpanendaka roalahy voasambotra

Antohomadinika : Mpanendaka roalahy voasambotra

Ny sabotsy 02 aprily, no nosamborin’ny polisy avy ao Antaniavo teny akaikin’ny fiangonana iray Ankorondrano ny mpanendaka roalahy, nampitondra faisana ny mponina eny amin’ny faritra maro.  Ny tena famelezan-dry zalahy, dia eny Antohomadinika sy ny 67 Ha. Lehilahy iray handeha hividy zavatra no sendra azy ireo tamin’io fotoana io. Lasan’ireo bandy ny sakaosy iray. Sendra ny tsy nety anefa ireo jiolahy, satria nandalo ny polisy mpanao fisafoana. Tonga dia raikitra ny fanenjehana. Tsy lasa lavitra ireto bandy ireto fa avy hatrany dia traingo. Rehefa nohadihadiana izy ireo dia nilaza, fa efa hatramin’ny ela no nanaovany io asa ratsy io. Efa nigadra teny Antanimora ry zalahy ireo. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireto jiolahy ireto. Vao tamin’ny fiandoahan’ny herinandro no nisy mpanendaka tratra teny amin’iny faritra iny. Raha araka ny filazan’ny mponina, dia maro tokoa amin’izao fotoana izao ireo bandy manao asa fanendahana. Tratra, migadra, mivoaka ny fonja dia mamerin-keloka indray.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici