- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Mpanendaka sy mpamaky trano 3 lahy efa nifonja teny Tsiafahy...

Antohomadinika : Mpanendaka sy mpamaky trano 3 lahy efa nifonja teny Tsiafahy voasambotra

Lehilahy miisa 03 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny paositry ny polisy ao Antaniavo tetsy Antohomadinika ny alarobia faha 14 aprily 2021 lasa teo, noho ny antony vakitrano sy fanendahana. Tokony ho tamin’ny 03 ora maraina tamin’io alarobia io no naharay antso ny Polisy fa adiny iray talohan’io dia nisy namaky ny tsena fivarotana arina fandrehitra iray eny Ambohibary Antanimena. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy. Araka ny voalazan’ny tompon-trano dia saribao 5 gony sy biby fiompy no lasan’ireo jiolahy. Natao avy hatrany ny fanarahan-dia ka hita tao amin’ny trano iray nisy tovolahy iray mpiandry trano teny Ankorondrano Andrefana ireo saribao sy ny akoho miisa 02. Niilaza anefa ity farany fa lehilahy 2, izay tsy fantany, no tonga nametraka ireo entana ireo teo, ary tsy ao an-toerana ny tompon-trano ka izy no nindramin’ireto farany hiambina ilay trano. Ora vitsy taorian’izay, tamin’ny 5 ora maraina, nahazo antso indray ny Polisy avy ao Antaniavo fa nisy lehilahy iray voaendaka teo Ankorondrano Andrefana raha nirava avy niasa. Tonga teny an-toerana ny Polisy ary nokarohina avy hatrany ireo olon-dratsy. Tamin’izany no nahitana lehilahy 3 nijorojoro tamin’ny toerana mangingina. Vao nahita ny polisy ireto farany dia nandositra avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra ny iray tamin’izy. Rehefa nosavaina izy dia mbola tratra teny aminy avokoa ny vola 45.000 ariary sy ny ny findain’ilay lehilahy avy nendahiny teo. Mbola nahitana finday iray hafa koa teny aminy ary fantatra fa tsy azy. Nandritra ny famotorana natao azy teo anivon’ny PPA4 Antaniavo dia niaiky ny helony izy ary nanondro ny namany miisa 2. Voasambotra ny alarobia faha 14 aprily avokoa izy 2 lahy ireo, ary nahitana antsy lava iray tao amin’ny toerana nahatrarana azy. Nandritra ny fanadihadiana azy 3 lahy dia niaiky izy ireo fa namaky ilay tsena fivarotana saribao voalaza etsy ambony. Fantatra moa fa efa mpamerin-keloka avokoa ireto voasambotra ireto satria samy efa nifonja indroa teny Tsiafahy sy efa niditra teny Antanimora ihany koa.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici