- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Mpanendaka tratra niaraka tamin'ny sabatra

Antohomadinika : Mpanendaka tratra niaraka tamin’ny sabatra

Ilay mpanendaka sy ny antsy lavalela.

Vao 22 taona monja ity tovolahy ity ary miaraka amin’iny antsy lava eny am-pelantanany iny izy rehefa manendaka. Maro ny olona efa tratrany, eny amin’ny faritra Antohomadinika toy ny eo amin’ny arrêt Mahitsy sy fiangonana Jesosy Mamonjy ary Lalamby iny no tena fanaovany ny asa ratsiny. Rehefa nisy ny fisafoana matetika nataon’ny Polisy miampy ny angom-baovao samihafa voaray dia tra-tehaka tetsy Antohomadinika omaly tokony ho tamin’ny 7 ora maraina ilay tovolahy niaraka tamin’ilay antsy lava fampiasany. Notanana avy hatrany hanaovana fanadihadiana ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici