Tovolahy kely iray no voasambotry ny fokonolona teny amin’ny fiantsonan’ny « taxi-brousse » eny Antohomadinika. Tra-tehaky ny rehetra teo am-pisintonana finday an’ ankizy mpianatra tao anaty « bus scolaire » mantsy ity tovolahy ity, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fantatra, dia tavela tao anaty fitohanana io fiara nitondra mpianatra io ary tamin’izay no nohararaotin’ity tontakely nalaina ilay zavatr’olona. Nisy nahatsikaritra ny zava-nisy, hoy ny vaovao azo avy amin’ny pôlisy ka avy hatrany dia nifanenjehan’ny olona ilay mpanao sinto-mahery. Tsy lasa lavitra moa dia tratra ihany ingahirainy, ary nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy teo Antaniavo. Efa mampikolay ny maro tokoa raha iny faritra Antohomadinika sy ny manodidina iny amin’ny resaka sinto-mahery sy fanendahana. Mirotsaka manao ity asa ratsy ity avokoa mantsy, tsy kely, tsy lehibe, tsy lehilahy, tsy vehivavy. Izy ireo ihany koa tsy mifidy hasiana intsony, na antitra na tanora na mpianatra na mpiasa. Marihana, fa vao 16 taona ilay zalahy tratra nanendaka mpianatra io.
m.L