Trano lehibe iray no nirehitra ny alin’ny alakamisy teo tetsy Antohomadinika IIIG Hangar. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpamonjy voina, dia olona nifoka rongony tao anatiny no nahatonga ny fahavoazana. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany teo ho eo no nahazo antso ireo mpamonjy voina fa nisy trano nirehitra tetsy Antohomadinika. Efa afo nijoalajoala tokoa ny teny an-toerana, tamin’ny nahatongavan’izy ireo. Trano misy rihana izy io, ka ny tao ambany no may tanteraka. Tsy nisy azo noraisina intsony ireo entana rehetra tao anatiny. Marihana, hoy ny hatrany ny loharanom-baovao fa trano fanaovana loko sy fanamboarana vy io tao ambany io. Mazava ho azy, araka izany fa maro ireo akora mora mirehitra tao anatiny. Na dia trano iray aza anefa no nirehitra dia fiarabe dimy niampy fiara kely iray no nentin’ireo mpamonjy voina, vao voafehy tanteraka ny afo. Somary nampano sarotra tokoa ny famonoana ny afo, hoy ny fanazavàna azo noho ny fisiana tariby mpitondra herinaratra mahery vaika mandalo tsy lavitra an’ilay toerana, ary tsy mbola tapaka herinaratra nentiny. Naharitra teo amin’ny adim-pamantaranandro iray sy sasany teo moa izany ady tamin’ny afo izany.
nangonin’i m.L