- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Mpivady mpamaky trano tratran’ny polisy

Antohomadinika : Mpivady mpamaky trano tratran’ny polisy

Eny Namontana izy mivady ireto no mipetraka, teny Antaniavo Antohomadinika ilay vehivavy no nosamborin’ny polisy rehefa fantatra fa avy namaky trano teny Antsalova Antohomadinika ihany. Trano telo no fantatra no novakian’izy ireo tao anatin’ny andro vitsy. Ny faha-11 jona, ny alatsinainy faha-15 jona ary ny farany ny alarobia faha-24 jona. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa fantatr’ilay lehilahy avokoa ireo trano vaky ireo ary tsy sarotra tamin’izy mivady ny nanatanteraka ny asa ratsiny. Very tamin’ireo fandrobana intelo nisesy ireo ny entana marobe isan-karazany, vilany, vilia, bodofotsy sy ny sisa. Taorian’ny fahavakisan’ny trano voalohany dia efa nisy ny fitoriana teny anivon’ny polisy. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana ary naleha teny amin’ny toerana tokony hahitana ny entana fivarotana halatra. Ny faha-24 jona, hita teny La Réunion Kely ny ampahany tamin’ireo entana voalaza fa nisy nangalatra. Avy tamin’izany no nisamborana ilay vehivavy, izay nilaza fa izy sy ny vadiny no nanao ny famakiana trano teny Antsalova. Tamin’ny sabotsy faha-27 jona no nosamborina teny Anosibe ilay lehilahy. Efa natolotra ny Fampanoavana izy ireo ary nalefa vonjimiaka eny Antanimora.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser