Nisoamaritaka ireo mponina teny amin’iny faritra Antohomadinika iny ny alin’ny alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any. Feon-javatra nirefotra toy ny basy mantsy ny re nanakoako teny amin’io faritra io. Taitra avy hatrany ireo fokonolona izay nihevitra fa misy andian-jiolahy manapoaka basy sy manafika. Tonga avy hatrany teny an-toerana nijery ny zava-nisy ireo mpitandro filaminana taorian’ny antso vonjin’ireo mponina. Tsy nisy fanafihana na andian-jiolahy izany anefa teny an-toerana. Irony karazana « pistolet lance-fusée », fanairana eny ambony sambo irony no nisy nanapoaka tamin’io alina io, raha ny fanazavàna azo. Amin’ny maha basy poleta azy izay dia mirefotra toy ny basy tokoa izy io saingy balafomanga no avoakany. Tsy nisy olona voa tamin’io fotoana io raha ny angom-baovao hatrany, saingy kosa nampisahotaka ny rehetra ny fipoahany, ny andro rahateo efa alina. Efa fantatra moa ny niavian’ilay fipoahana saingy efa tsy tratra tao amin’ilay toerana intsony izay olona nanao izany raha ny angom-baovao hatrany.
m.L