- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Potika ny taovan’ilay lehilahy nisotro asidra

Antohomadinika : Potika ny taovan’ilay lehilahy nisotro asidra

Tsy nahatohitra ny onjam-pianina mianjady aminy sy fianakaviany ity lehilahy iray ka ny zavatra hitany fa mety dia ny mamonotena. Teny Antohomadinika no niseho ity zavatra ity ny alin’ny talata lasa eo. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa nisotro asidra izy. Tsy nahafaty azy anefa izany fa rehefa novonjena nentina tany amin’ny hopitaly izay dia fantatra fa potika tanteraka ny taova ao anatiny. 46 taona ity olona ity. Tsy nisy nahita ny zavatra nataony ny olona tao an-trano. Izy efa nitolefika no nanaitra ny rehetra. Torana ny anao lahy, nivoaka zavatra fotsy ny vavany ary potika nampahatahotra. Izay vao nikoropaka ny rehetra nitondra azy tany amin’ny mpitsabo. Ny vaovao voaray avy amin’ny havany no nilaza fa sambany no nanao izao famotoana tena izao ity lehilahy ity. Rehefa nozohiana ny fandehan-javatra dia olam-piainana no nahatonga azy hanao izao fihetsika izao.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser