- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Ramatoa bevohoka nodomina fiara, saika afa-jaza

Antohomadinika : Ramatoa bevohoka nodomina fiara, saika afa-jaza

Renim-pianakaviana iray bevohoka enim-bolana  no saika afa-jaza, omaly naraina tokony ho tamin’ny 9 ora mahery kely, tetsy Antohamadinika, voadonan’ny fiara. Avy nivavaka ity ramatoa ity niaraka tamin’ny vady aman-janany, ka handeha hiantsena alohan’ny hodiana no niampita arabe. Izy no tavela taty afara, nisy fiara iray somary nandeha mafy niala lavaka anefa nahadona azy. Nitrosona tao anaty ranom-potaka maloto masiso ity renim-pianakaviana ity, hoy ireo nanatri-maso. Mafimafy ihany ny dona nahazo azy, ka saika afa-jaza mihitsy, raha ny fanazavana azo hatrany. Ny zoma naraina teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany mahery kely tany ho any, mpianatra iray handeha hody naverina noho ny fampandrenesan’ny DREN Analamanga amin’ny fiakaran’ny rano no voadonan’ny fiara ihany koa teo amin’ny fiolahana Antohamadinika. Naratra teo amin’ny ilam-peny ity mpianatra ity. Raha ny fanazavan’ny manodidina, dia matetika itrangana lozam-pifamoivoizana amin’io fihaonan-dàlana io, noho ny fandehanana mafy sy ireo taksibe misongona.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser