- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Ramatoa voendaka teo ambony tetezana

Antohomadinika : Ramatoa voendaka teo ambony tetezana

Andro amin’ny fito ora maraina, teo ambony tetezan-dRamanaindraibe, tetsy Antohomadinika. Renim-pianakaviana iray no lasibatry ny mpanendaka miisa roa. Lasan’ireto olon-dratsy ny poketrak’izany ramatoa izany, saingy soa ihany, teo ny pôlisy. Mitohy tsy an-kijanona ny fampiharana ny paik’ady manokana ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena ny amin’ny fisafoana ireo faritra rehetra tena mafana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra. Ho an-dry zareo avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra dia misy ny fanaparitahana ireo pôlisy tsy manao fanamiana any anaty elakelan-trano rehetra tany. Ny andron’ny talata lasa teo, teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ny mpanendaka anankiroa ary teo ambany mason’ireo pôlisy tsy nanao fanamiana no nanao ny asa ratsiny. Tamin’io fotoana io, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao, raha nandeha nisafo ny faritra misy ny tetezan-dRamanandraibe, izay efa mampitaraina tanteraka ireo mponina eny an-toerana ny amin’ny afitsok’ireo tontakely no sendra nahatsikaritra tovolahy roa nampiahiahy. Niandriandry teo ambony tetezana teo izy roalahy ireto ary niandry ny hazany handalo. Tamin’izay fotoana izay no sendra nisy ramatoa nandalo. Narahan’izy ireo avy tato aoriana izany ramatoa izany, ary nony hitan’izy ireo fa tsy nisy olona nandalo dia niroso avy hatrany tamin’ny asa ratsiny ireto tontakely. Mody nodomininy ary natosik’ilay iray ity ramatoa. Ary nony nironjona dia efa voasinton’ilay iray ny poketra teny aminy. Nanararaotra nitsoaka izy roalahy nony avy eo, rehefa avy nandrahoana ilay ramatoa. Ny tsy nampoizin’izy ireo velively anefa dia efa nisy polisy nanara-maso ny fihetsik’izy ireo, ka noraisim-potsiny tao aloha tao, rehefa voasakana ihany koa. Nosamborina ary nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy avy hatrany moa ireto farany, ho amin’ny famotorana. Ilay poketra, izay mbola tratra teny am-pelantanan’izy ireo kosa dia efa nomena ny tompony.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici