- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Roalahy notifirin’ny jiolahy tamin’ny basy

Antohomadinika : Roalahy notifirin’ny jiolahy tamin’ny basy

Vao maraina, vao mangidran-dratsy akory aza, dia efa nirefotra ny basy tetsy Antohomadinika. Nandritra ny fanafihana toeram-panaovana sy fivarotana mofo no nitrangan’ity asan-jiolahy ity. Tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany no niditra tampoka tao anatin’ilay toerana ny efa-dahy mirongo kalachnikov. Ny iray niandry taty ivelany raha niditra tao anatiny ny telo hafa ka nandrahona tamin’ny basy. Maro ny olona tao, satria ankoatra ny mpiasa mpanamboatra mofo dia   nisy mpividy ihany koa. Tsy nisy sahy nihetsika na dia tombanana ho olona telopolo tany aza ny totalin’ny tao anaty trano. Lehilahy hafa izay tonga saika hanatitra vola no nanaitra tampoka ireo olon-dratsy. Notifirina teo amin’ny tongony io. Teo amin’ny ranjony no niantefan’ny bala, raha araka ny fanazavana azo. Mpiasa iray tao anatin’ilay toerana, tsy nahatsikaritra fa nisy fanafihana, lasa nivoaka ary saika hanaraka fiara no nanaitra ny sain’ny jiolahy koa. Voatifitra teo amin’ny feny itsy voalohany. Samy nentina teny amin’ny hopitaly avokoa izy roa ireo mba ho fanavotana ny ainy. Talohan’izay kosa dia nasaina niondrika tamin’ny tany avokoa ireo olona rehetra tao anaty trano. Hatramin’ireo izay sendra nandalo tsy nahy teny amin’ny arabe aza dia nambanana basy dia nasaina niditra tao an-trano ary nasaina natory tamin’ny tany. Tsy ela akory dia vita ny “operation” ary mahalasa saina satria toa efa zatra ady loatra ireo olon-dratsy. Eo ihany ny fisian’ny basy fa ny fomba nahatontosany ny fanafihana tao anatin’ny dimy minitra monja, manoloana ny olona marobe dia midika fa tena vonona ary manana  fahaiza-manao ireto jiolahy ireto. Ankoatra izay dia mipetraka hatrany ny fanontaniana hoe avy aiza ihany ny kalachnikov?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser