- Publicité -
mercredi, février 18, 2026
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Tambajotra mpamatsy rôrô, ravan’ny pôlisy

Antohomadinika : Tambajotra mpamatsy rôrô, ravan’ny pôlisy

Lehilahy telo ary vehivavy iray. Ireo no voasambotry ny pôlisy noho ny resaka fanaparitahana sy ny fivarotana rongony mahery vaika fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe « rôrô », teny amin’iny faritra Antohomadinika IVO iny. Misy sasany amin’ireo no mpamerin-keloka, araka ny fampitam-baovao azo. Misoko mangina fa tsy hoe lefy tanteraka ! Tsy dia re firy tokoa, tao ho ao izay ny mahakasika ity resaka rôrô ity, izay manoatra lavitra noh ireny rivo-doza mandravarava ny fiaraha-monina ireny, dia mbola misy ary mihamaro anefa izy io eny. Indrindra moa fa amin’ireo faritra voalaza fa ambany tanana. Tsy mitovy amin’ireo rongony mahery vaika mahazatra ny sofina lafovidy toy ny hoe « cocaïne » sy ny tariny izy ity fa zava-mahadomelina takatry ny rehetra, kanefa tena mampiakin-doha sy manimba izay tsy izy, indrindra fa mandrisika ireo mpidoroka ity karazan-drongony ity ho amin’ny asa ratsy. Izay toe-javatra izay indrindra no mampihetsika ny sampan-draharahan’ny pôlisy miady amin’ny zava-mahadomelina, hanao hetsika hatrany hipaingorana ireo fanetriben’ny firenena, mpanaparitaka azy io. Teny amin’iny faritra Antohomadinika iny no nanaovan’izy ireo ny hetsika ny herinandro lasa teo, rehefa nahazo angom-baovao mahakasika ity tambajotra iray mpanaparitaka rôrô ity ny pôlisy. Napetraka ny fandrika ary io nahazoana olona efatra io : mpivarotra sy mpamatsy izy ireo, hoy hatrany ny vaovao. « Nandritra ny fisamborana azy ireo dia nahitàna fonosana rôrô miisa 80, izay efa vonona hamidy teny aminy. Tratra nandritra izany ihany koa ary natao porofo teo anatrehan’ny fampanoavana ireo fitaovana fidorohana io zava-mahadomelina tena manimba ny tanora io », hoy ny vaovao. Efa samy natolotra ny Fampanoavana avy moa izy ireo ary taorian’ny fanapahan-kevitra ny noraisin’ny mpitsara mpanao famotorana dia samy nadoboka am-ponja vonjimaika izy ireo.  Tsy mijanona hatreo anefa ny ady, raha ny fampahafantarana azo, fa mbola mitohy hatrany. Ny irariana dia ny hahatafidiran’ireo tena trondro vaventy mpampiditra azy io eto Madagasikara, ao anatin’ny haraton’ireo mpitandro filaminana amin’izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici