- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Trano 96 tafo indray kilan’ny afo, olona 454 no tsy...

Antohomadinika : Trano 96 tafo indray kilan’ny afo, olona 454 no tsy manan-kialofana

FDVR-(1)Nanomboka tamin’ny 10ora sy sasany alina ny afo, ary tsy voafehy tanteraka raha tsy maraina ny andro. Hain-trano mahatsiravina nitranga teny amin’ny fokontany Antohomadinika Antsalovana FAAMI, ny talata alina lasa teo.

Niredareda aok’izany ny afo, nandevona ireo trano 96 tafo tao Antohomadinika Antsalovana, ny alin’ny talata lasa teo. Raha ny voalazan-dRtoa Mahafinaritra, isan’ireo niharam-boina dia nanomboka tamin’ny 11ora alina latsaka kely teo no naheno olona nihorakoraka izy. Raha ny fitantarany hatrany dia tsy fantatra mazava izay tena fototry ny niavian’ny afo tao amina tokantrano iray. Fa raha ny filazan’ny tompon’ity farany taminy, dia toa hoe nisy andian’olona maromaro, nisioka tokana izany, nihaodihaody teny an-toerana ary nidona-tsetroka ilay trano nony avy eo. Raikitra ny akoralava ary samy namoaka ny entany sy niezaka namono ny afo teo ireo manodidina. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina, fotoana fohy monja taorian’ny nirehetan’ilay trano saingy noho ilay toerana saro-dalàna sy anaty tanàna dia tsy naharaka ny fantson-dranon’izy ireo ka voatery niantsoana « renfort ». Nandritra izany anefa, raha ny fitantaran’ity ramatoa ity hatrany dia efa nihanaka tamin’ireo trano hazo manodidina ny afo, ary niely, nandevona ireo trano am-polony maro teny an-toerana. Tokantrano 96 no kila hotohoto, 65 tamin’izany no trano hazo ary 31 kosa ny trano biriky. Olona maherin’ny 400 no traboina sy tsy manan-kialofana amin’izao fotoana izao, ary maromaro ihany no naratra.

Mampiahiahy. Raha ny filazan’ny Sefo fokontany teny an-toerana, Atoa Razanadrakoto Herinaina, dia somary mampiahiahy ihany ny toe-javatra tahak’izao, eny fa na dia mbola tsy fantatra mazava sy somary manjavozavo ihany aza, izay tena marina mikasika ny fototra nitrangan’ny afo. Talohan’io fotoana io tokoa mantsy, raha ny nambarany, dia trano roa no may kilan’ny afo teny amin’iny faritra iny. Ny hain-trano voalohany, niseho ny alatsinainy alina, trano hazo. Ny faharoa ny antoandron’io loza mahatsiravina io. Tamin’ireo fotoana ireo dia soa hatrany nalaky voavonjy sy voafehy ny afo. Araka ny fanazavany hatrany dia potika tanteraka any amin’ny 95 isan-jaton’ny fananan’ireo olona ireo nandritra iny hain-trano mahatsiravina iny. Ireo sisa avotra kosa dia mbola nisy nanararaotra ihany. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanolotra fanomezana ho fanampiana ireo traboina ny PDSn’Antananarivo Renivohitra, niaraka tamin’ireo fikambanana maro samihafa ara-tsosialy, ho voin-kava-mahatratra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser