Loza tsy dia mbola mahita loatra nefa dia mateti-pitranga eto an-drenivohitra ny zava-niseho teny Antohomadinika sy ny manodidina omaly. Toerana roa ao amin’io faritra io no nitrangana haintrano tamin’ny andro antoandro be . Soa fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tamin’izany na dia nananosarotra ihany ny famonjena sy ny fanavotana ireo traboina noho ireo toerana voakasika somary saro-dalàna. Ny voalohany dia niseho tetsy akaikin’ny toerana antsoina hoe “garage 2 000”. Tsy dia fantatra loatra hatroto ny niandohan’ny afo fa araka ny fitantaran’ireo mponina eny amin’ny manodidina dia efa niredareda ny afo ka nihanaka teo amin’ireo trano manodidina voa hita ka samy nifamonjen’ny olona novonoina. Tonga teny an-toerana ihany koa moa ny mpamonjy voina avy eo amin’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra ao Tsaralalàna ka voafehy ny afo ora vitsy tao aoriana. Fa ny tena loza dia ilay niseho tao amin’ny fokontany IIG hangar, fokontany Antohomadinika ihany. Nijoalajola ny afo ary nandrotika trano am-polony tao amin’ny faritra ato hoe Secteur V omaly antoandaro. Toerana izay fantatra fa tena ahitana trano mifanetiety sy vita amin’ny hazo ny ankamaroany. Araka ny vaovao azo avy eo anivon’ny fokontany dia manodidina eo amin’ny folo eo ho eo ny trano may mahatratra 18 ny tokantrano tsy manan-kialofana amin’izao fotoana izao vokatr’ity loza ity. Araka ny vaovao azo farany dia mbola eo am-panaovana fanadihadiana ny mety ho niavian’ny firehetana sy izay ho tompon’antoka amin’izany ny tompon’andraikitra vokasika. Marihana moa fa tsy nandrenesa aina nafoy na olona naratra tamin’izao tranga izao.
T.M.