Anisan’ny faritra mena amin’ny fanendahana sy ny fanafihana raha iny faritra Antohamadinika sy ny manodidina iny, indrindra moa fa raha mbola maizimaizina iny. Soa ihany anefa, fa manao fisafoana andro aman’alina ireo mpitandro filaminana eny an-toerana.
Tamin’izany indrindra mantsy no nahasamborana tovolahy iray, ny alarobia alina lasa teo. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany alina tany ho any no nahatsikaritra lehilahy hafahafa fihetsika ireo pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra. Teo am-panarahana olona hafa teo alohany mantsy ity lehilahy ity; izay heverina fa nokasainy hendahina teny an-toerana. Nanatona avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka vaky nandositra ity farany. Nifanenjehana ary voasambotra. Rehefa nosavaina dia tsy nahitana kara-panondro tany aminy ary rehefa nofotorana lalina dia fantatra fa efa nifonja ny lehilahy noho ny harom-paosy. Tamin’io fotoana io, dia niaiky ranamana fa saika hanendaka an’ilay olona narahany. Tsy vitan’izay , fa dia fantatra ihany koa fa mpifoka rongony ikoizana ingahirainy. Taorian’ny fakàna am-bavany azy, dia natolotra ny Fampanoavana omaly ary naverina nadoboka am-ponja. Amin’izao tokoa dia tsy vitsy ireo mpanendaka sy tontakely no miverina manao ny asa ratsiny indray aorian’ny fivoahany ny fonja. Ny tena loza, raha mpangaraom-paosy fotsiny izy teo aloha dia lasa mivadika ho mpandeka miaraka amin’ny fitaovam-piadiana izy aty aoriana. Ary miafara hatramin’ny fidirana amin’ny tambajotran-jiolahy mahery vaika. Tsy toeram-panarenana intsony ny fonja amin’ireny karazan’olona ireny, fa lasa karazana toerana fanazaran-tena sy fampitomboana fahaizana amin’ny ratsy.
m.L