Miandahy miambavy mihitsy ireo olona amin’ity resaka bizina rongony ity. Ny alakamisy lasa teo, vehivavy iray, 26 taona no voasambotry ny pôlisy Antohomadinika. Nahatratrarana rongony tapa-gony tany aminy, izay nomaniny hamidy. Araka ny fampitam-baovao azo dia nidina teny an-toerana ireto mpitandro filaminana ireto rehefa nahare vaovao mahakasika ity varotra rongony ity. Tamin’izay no nahatratrarana ity tovovavy ity. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nilazàny fa ny rainy no tena atidoha amin’izao fivarotana sy fanaparitahana rongony izao. Tsy niandry ela ireto pôlisy fa avy hatrany dia niroso ihany koa tamin’ny fisamborana ity raim-pianakaviana ity. Efa ela, raha ny vaovao hatrany, no efa nanaovan’izy mianaka an’ity bizina maloto ity, saingy izao vao sarona izao. Samy natolotra ny Fampanoavana omaly avokoa moa izy ireo.
m.L