Tsapa ho niova fomba fiasa indray ireo jiolahy sy mpanendakana tato ho ato. Misakana sy manafika ireo mpitondra fiara, manararaotra ny lalana ratsy sy ny fitohanana. Teo anatrehan’ilay trangana fanankan-dalana an-tanan-dehibe, nitranga tetsy Antohomadinika ny sabotsy alina lasa teo, voasambotr’ireo mpitandro filaminana ny sasantsany tamin’ireo mpanendaka. Tovolahy iray, antsoina hoe Tanjona, 18 taona, no noraisim-potsiny teny an-toerana ihany taorian’ny vela-pandrik’ireo mpitandro filaminana. Nambara tamin’izany fa isan’ireo olona maromaro nanakan-dalana teny izy ireo. Fiara roa no lasibatr’ireo jiolahy tamin’io andro io, ny iray fiara nisy olona maromaro, izay voaroba sy voatoraka ka nisy mihitsy ny naratra. Ny iray kosa dia teratany vahiny, sendra nihazo iny lalana iny. Teknikan-dry zalahy ireo tamin’io fotoana io ny nanisy vatobe mitandahatra teo amin’ny arabe. Voatery nijanona ireo fiara ka teo no namelazany an’ireo efa voa. Araka ny fantatra dia teo amin’ny valo lahy teo ireo olon-dratsy, ary ny telo tamin’izy ireo no voasambotra iny andro iny ihany, ny namany iray kosa ity noraisim-potsiny ity, ireo sisa kosa tafatsoaka. Angamba mety mbola manohy ny asa ratsiny hatrany. Ny irariana dia mba hisy tokoa ny sazy henjana hampiharina amin’ireo olon-dratsy tratra ireny, fa tsy hoe nanome ekôlazy dia avotsotra. Ary dia indro fa niverina amin’ny asany taloha indray izy ry « Soary » !
m.L