- Publicité SW45 -
mercredi, mars 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntoko GREEN GASIKARA : Mitsipaka ny fiarahamonina mitera-doza

Antoko GREEN GASIKARA : Mitsipaka ny fiarahamonina mitera-doza

Eo anatrehan’ny zavatra maro samihafa mifamahoafaho eto amin’ny firenena, ny antoko GREEN Gasikara dia mitsipaka ny hery rehetra manome vahana ny rindram-piarahamonina mitera-doza mifanohitra amin’ny fomba malagasy, izay manaja ny ain’olom-belona. Araka ny vaovao nampitaina taty amin’ny mpanao gazety dia milaza ny antoko fa fiarahamonina anjakan’ny fitsetsefana sy fanambaniana no hita eto. Tanisainy amin’izany moa ireo zavatra maro miseho saika isan’andro : fanararaotam-pahefana, fampielezana zava-tsy marina, fampiasana fitaovam-piadiana ho famoretana, fanitsakitsahana ny làlana velona, sy zavatra maro samihafa. Eo anatrehan’izany, mitaky ny fahavononan’ny tsirairay ry zareo haneho amin’ny fomba mendrika sy mahitsy ny rafi-pitondrana iaraha-misalahy eto Madagasikara.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser