- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntoko Vonjy iray tsy mivaky : Hanamarika ny 50 taona nijoroany

Antoko Vonjy iray tsy mivaky : Hanamarika ny 50 taona nijoroany

Mitana hatrany ny vina napetraky ny filoha mpanorina azy tamin’ny taona 1973 ny antoko politika Vonjy iray tsy mivaky (VITM). Tsy inona izany fa fampiaraisana ny Malagasy mba hisian’ny firaisam-pirenena ho any amin’ny fampandrosoana isam-paritra. Nisongadina izany nandritra ny fivoriam-be nataon’ity antoko ity teny Mandromena Andoharanofotsy ny sabotsy lasa teo. Fihaonam-be izay natrehan’ireo mpikambana maro avy amin’ireo faritany enina eto Madagasikara ary notarihin’Andriamatoa Razanabahiny Christian, izay mitarika vonjimaika ity antoko ity. Ity farany izay zanaky ny filoha mpanorina ny VITM, Ratompokolahy Razanabahiny Marojama Jerôme. Somary natoritory tokoa ity antoko ity tao ho ao ka izany indrindra no antony nanaovana izao fivoriana izao raha ny nambaran’ny mpitarika ny fotoana. Nisy araka izany ny fananganana komity vaovao mba hitantana ny antoko sy hametraka rafitra hameloma-maso indray ny fikambanana. Isan’ny andraikitra nankininana amin’ity komity ity ny fanomanana ny kongresy nasionaly izay hotanterahana amin’ity taona ity ihany. Io kongresy io no hifidianana izay ho birao vaovao hitantana ny VITM. Tanjona ihany koa ny hamolavolana mpikambana tanora mba handimby amin’ny fitarihana ny antoko. Voaresaka nandritra izao fivoriana izao ihany koa ny handraisan’ny antoko anjara amin’ny fifidianana rehetra isan’ambaratongany izay tsy maintsy hotaterahana eto amin’ny firenena. Na izany aza anefa dia mbola tsy nilaza ny kandida mety ho tohanany amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao ato ho ato ny VITM raha ny voalazan’andriamatoa Razanabahiny Christian. Andrasana arak’izany ny kongresy nasionalin’ity antoko ity.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici