- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAntsahabe : Mpamaky trano ikoizana, voasambotry ny pôlisy

Antsahabe : Mpamaky trano ikoizana, voasambotry ny pôlisy

Ilay tovolahy nikasa ny hamaky trano, voasambotry ny pôlisy.

Ny olona mbola ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia, ny 14 febroary lasa teo, ry zalahy manararaotra mamaky trano. Soa ihany fa haingana dia haingana ny fidirana an-tsehatr’ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’Ambohijatovo. Tra-tehaka ary tsy afa-niala ity tovolahy iray, izay teo am-pikasana hamaky trano iray tetsy Antsahabe.

Ny zava-nisy. Tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any no nahazo antso ny pôlisy, ny amin’ny fisiana lehilahy iray mampiahiahy mihaodihaody sy hafahafa fihetsika manodidina ny trano iray teny amin’iny faritra iny. Tsy nisalasala avy hatrany ireo pôlisy raha vao nahare izany fa nidina avy hatrany teny amin’ny toerana voalaza, hanamarina ny zava-nisy sy hisambotra izay mety ho olon-dratsy. Voamarina tokoa ny tranga, hoy ny fampitam-baovao azo, fa indro tokoa misy lehilahy iray mbola somokitra izay tsy izy, mitady hevitra hiditra an-keriny tao amin’ity tokantrano iray nihidy ity. Natonina avy hatrany sy nopaingorina teo no eo ihany, ary nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria. Fantatra tamin’izay fa tena nikasa hanao halatra miharo vaky trano mihitsy ranamana tamin’io fotoana io. Mbola nahatratrana finday sy tablette iray moa teny aminy tamin’ny fotoana nisamborana azy. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana ity tovolahy ity, miandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici