- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversAntsahabe : Mpivady voaendaka, lasa ny vola sy ny radio

Antsahabe : Mpivady voaendaka, lasa ny vola sy ny radio

Mpivady no niharan’ny fanendahana teny Antsahabe ny alin’ny zoma lasa teo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 40 000 ariary sy auto-radio ary ny taratasin’ny fiarany. Tamin’io fotoana io dia avy nanatitra fiara teny amin’ny toerana fametrahana azy amin’ny alina izy mivady ireo. Nifanena tamina bandy voalaza fa niisa dimy ry zareo. Avy hatrany dia nandeha ny vono ary voaharona ny paosy. Raha vao vita izany dia nandositra ireo mpanakan-dalana. Nilaza ny zavatra nahazo azy tamin’ireo polisy niasa tsy lavitra teo ireto niharan’ny fanendahana. Natao avy hatrany ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Tratra tsy lavitra ny FPVM Antsahabe ny roalahy ary hita tany aminy ny auto-radio. Rehefa nohadihadiana anefa ry zalahy dia nolazainy fa radio vao avy novidiny io tany aminy io. Tadidin’ilay ramatoa tsara kosa anefa ny endriny. Ireo namany telo moa dia afaka nandositra.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser