
Nitrangana hain-trano indray teny amin’iny faritra Antsahabe iny. Trano lehibe iray misy rihana no ravan’ny afo tanteraka, omaly tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany tany ho any. Tsy nisy aina nafoy na ny naratra, saingy tombanana ho an-tapitrisany maro kosa ny teti-bidin’ny fananana simba. Somary nanano sarotra ny famonoana ny afo, raha ny fanazavana azo, noho ity trano ity ambony toerana. Nanampy izany ihany kosa ny rivotra. Adim-pamataran’andro maromaro teo no nifehezana ny afo tsy hitatra, izay tsy maty tanteraka raha tsy tany ho any amin’ny telo tolakandro mahery tany. Araka ny fantatra dia « court-circuit » no niteraka ny loza. Tsy nisy olona rahateo ihany kao tao amin’ity trano ity, raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana. Ireo teny an-toerana kosa nilaza fa ny mpanampy no tao, saingy nitsoaka malaky raha vao namboka nidedaka ny afo.
m.L