- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAntsahabe : Zaza fito taona saika nisy naka...

Antsahabe : Zaza fito taona saika nisy naka ankeriny

Ankizy vavy kely fito taona no nisy saika haka an-keriny tamin’ny sabotsy lasa teo teny amin’ny faritra Antsahabe. Nirava avy nanao “cours” izy tamin’ny 12 ora antoandro, hoy ny vaovao voaray. Avy hatrany dia nisy olona efatra, lahy telo sy vavy iray nisambotra azy, hoy ny vaovao re teny an-toerana. Folaka vokatr’izany ny sandrin’ilay zaza. Variana avokoa ireo mpandalo marobe nahita izany zavatra izany. Novonjena nentina notsaboina teny amin ny hopitaly izy taorian’izany zavatra nitranga izany. Hatramin’izao, tsy fantatra marina ny antony nisamboran’ireo olona ireo ilay zaza. Asa na sendra ireo olona nitangorona na ahoana fa navotsitr’izy ireo ilay zaza. Nisy loharanom-baovao hafa koa nilaza fa toa fantampatatra ihany ny iray tamin’ireo olona ireo.

Tombatombana no ilazana fa noho izany no tsy nitondrany ilay ankizy. Amin’izao fotoana izao, manaraka ny fitsaboana sahaza sy fanarahamaso akaiky  ity ankizy vavy kely ity amin’izao fotoana izao.

Efa eny anivon’ny fitsarana  ny raharaha dia ho hita miandalana eo ny mety ho tohin’ny tantara ao aorian’ny fanadihadiana.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser