- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversAntsahakely- Antsirabe : Masinin-kazo iray nirehitra

Antsahakely- Antsirabe : Masinin-kazo iray nirehitra

Omaly alarobia maraina be tokony ho tamin’ny 3 ora maraina, nanomboka nirehitra ny orinasa mpanao sy mpivarotra hazo ao Antsahakely Antanivao Antsirabe. Ny setroka sy afo no nanaitra ny tompon-trano. Tsy fantatra mazava ny niandohan’ny afo, raha ny resaky ny olona teny amin’ny manodidina, dia afo avy tamin’ireo olona nitana afo tao amin’ny masinina no niandohan’ny firehetana. Ny fanomezan-tanan’ny fokonolona maro be no nahafaty ny afo sy  tsy nitaran’izany, soa fa voafehy aloha ny afo, fa raha tsy izay dia zava-doza no nitranga, satria masinin-kazo roa no mifanakaiky eo amin’io toerana nisian’ny loza io. Mateti-pitranga ny hain-trano teto Antsirabe tato ho ato izay, ary matetika tsy fitandremana no mahatonga azy. Ireo trano hazo hatrany no tena lasibatra. Ny tanànan’Antsirabe anefa tsy mbola manana ireny fiara mpamonjy voina ireny. Andrasan’ny maro ny fahatongavan’izy io, satria efa nilokaloka sy nanome toky teo imasom-bahoaka  ny ben’ny tanàna Paul Razanakolona, fa tsy maintsy ho avy izy io, saingy tsy hita akory hatramin’izao. Raha tsiahivina, nilaza ny ben’ny Tanana, fa herinandro taorian’ilay hain-trano mahatsiravina nitranga tao Mahazoarivo, ny 25 aogositra lasa teo no ho avy ilay fiara, saingy tsy hita hatramin’izao.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici