Andian-jiolahy manodidina ny enina teo ho eo no tonga nanafika tao amina mpivarotra iray tao amin’ny fokontany Antsahakely, Besarety ny alatsinainy lasa teo. Vola manodidina ny iray tapitrisa mahery teo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, niaraka tamin’ny finday, ary tsy nisy navelan’ireo olon-dratsy fa lasa hatramin’ny karam-panondron’ny tompon-trano. Mbola tsy alina akory fa ny hariva, tokony ho tamin’ny fito ora teo ho eo no nanao amboletra tao amin’ity toeram-pivarotana ity ireo olon-dratsy, izay raha ny fantatra dia nirongo basy poleta. Noho ny tahotra dia vaky nandositra avokoa ireo olona sendra teo amin’ilay mpivarotra tamin’io fotoana io. Torak’izany ihany koa, tsy afa-nanohatra intsony ihany koa ireo tompon-trano ka nanome izay zavatra notakian’ireo olon-dratsy. Azon’izy ireo ny zavatra nilainy dia vaky nandositra ireto olon-dratsy. Taorian’izay vao afaka niantso vonjy ireto voatafika. Araka ny fanazavàna azo avy amin’iny zandarimariam-pirenana, izay nandray an-tanana avy hatrany ny famotorana sy ny fanadihadiana dia tsy nisy naratra na ny aina nafoy tamin’io fanafihana io. Efa mandeha ny fikarohana ireto olon-dratsy.
m.L