Mikarakara hetsika “garden party” anio sabotsy 8 desambra 2018 tontolo andro etsy amin’ny FOFIKRI Ilafy Ankadikely ny Fjkm Antsahamaina Famonjena Alarobia Ambatomanga. Hetsika tafiditra amin’ny ezaka hanitarana ny fiangonana hanasana ny rehetra. Hisy ny trano heva hahitana ireo kojakoja samihafa ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro sy kilalao maro amin’izao ankatoky ny Noely izao. Ankoatra izay eo ihany koa ny fifaninanana ara-panatanjahantena amin’ny taranja samihafa toy ny basket-ball, tsipy kanetibe. Mbola misokatra eny an-toerana ny fisoratana anarana amin’ireo taranja ireo. Misy ihany koa ny sakafo sy tsakitsaky efa nomanina eny an-toerana. Hanafana izao hetsika ireo ny antoko mpihira avy amin’ny fitandremana samihafa sy mpanakanto fanta-daza tsy ampoizina. Manampy ireo ny lalao sahaza ny rehetra karakarain’ny Komitin’ny faha- 150 taona sy ny TAFA. Tsy ny taranak’Antsahamaina irery ihany fa ny kristiana rehetra avy eto Antananarivo sy ny manodidina no asaina ho tonga eny anio satria goavana ny asa fanitarana hataon’ny fiangonana. “Ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako, ary ny vavahadin’ny fiainan-tsihita tsy haharesy azy” (Matio 16/18b)
H.R.