- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsahamanitra : Ady an-dalambe, maty ny iray

Antsahamanitra : Ady an-dalambe, maty ny iray

Niteraka fahafatesana ny ady teny amin’ny arabe, tetsy Antsahamanitra. Tanora roa, manodidina ny roapolo taona, no nifandramatra. Nobatain’ny iray ary natontony tamin’ny tany ilay nifamaly taminy. Ny hatony no nitontona  tamin’ny arabe ary nitarika avy hatrany ny tsy fahatsiarovany tena izany. Teo vao nanasaraka ny…mpijery, rehefa nahita fa tsy nihetsika intsony ilay olona. Nentina tany amin’ny hopitaly ka raha ny fanazavan’izay mahafantatra, dia nodimandry ny ampitson’iny ny tenany.Tsy mety loatra eto amintsika angamba ny mijery ireo fandaharana mifono herisetra ary indrindra ireo ady toa ny UFC sy ny hafa koa. Ny tsikaritra mantsy, dia vao mifamaly kely na mifandona vatana eny amin’ny arabe, dia efa mifamono ny olona. Ny traikefa hitany amin’ny fahitalavitra matetika no haveriny eny an-dalambe, izany anefa dia mety mahafaty, toy  ity nitranga tetsy Antsahamanitra ity. Ankehitriny, dia efa naiditra am-ponja ilay vao tanora kely tompon’andraikitra tamin’izay vono sy ratra niniana, izay nitarika fahafatesana izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici