Amin’ny andro antoandrobe nanahary ary eny amin’ny toerana tsy dia fisehoan’ny asan-jiolahy loatra no nisy fandrobana, omaly. Teo amin’ny fiakaran’Antsahamanitra no nisy fiara nanakana ny fiara iray hafa izay nitondra vola saika haterina any amin’ny banky. Nitondra fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy ary nandrahona ireo olona tao amin’ny fiara faharoa, mba hahazoana ny vola izay notaterina tao. Tsy mbola nisy loatra ny vaovao ôfisialy mahakasika ny totalin’ny vola very tamin’ity fanafihana ity. Ny fantatra kosa, dia vola nentina tamin’ny baoritra no very, vola izay an’ny toeram-pivarotan-tsolika iray eny amin’ny boriborintany fahatelo. Feno mpitandro ny filaminana teo amin’ny manodidina ary samy nanao ny fanadihadiana mifanandrify azy ireo, tamin’ny fikarohana ny olon-dratsy. Hatramin’ny omaly aloha, dia tsy mbola nisy hita ireo farany raha araka ny fanamarinam-baovao natao. Ahiana ny nisian’ny firaisana tsikombakomba amin’ny fanafihana toa izao, satria raha ny fanampim-baovao azo, dia fiara tsotra ary tsy tokony ho nisy namantarana azy mihitsy fa nitondra vola no niasa. Matoa izany nosakanan’ireo jiolahy, dia mety efa nisy ny fifampizarana vaovao ary efa maty paika ny fandrobana rehetra. Mafanafana ny tsy fandriampahalemana ary hita taratra fa mihantsy tanteraka ny mpitandro ny filaminana ny jiolahy. Raha nisy ny maty voatifitra tamin’ny voalaza fa olon-dratsy, ny zoma lasa teo, tsy niandry ela ary toa tsy nahafay akory ny jiolahy hafa izany fa ny alatsinainy indray dia efa raikitra ny fandrobana. Tsy ny eto Andrenivohitra ihany, fa ny faritra manodidina azy ihany koa dia feno heloka bevava, indrindra tamin’iny herinandro iny. Maromaro ny olona izay novonoina, nodorana ary nesorina ny ainy mba hanakonana heloka bevava na koa noho ny halatra madinidinika. Miantraika tanteraka amin’ny fiainam-bahoaka ny fahantrana izay mivadika ho heloka bevava tsy an-kijanona ankehitriny.
D.R