Fiara « 504 bachée » iray no notafihan’ny dahalo ny alakamisy lasa teo, tao Antsahatanteraka, any amin’iny distrikan’i Tsiroanomandidy iny. Vokany, maty voatifitra ny mpamily, mpivarotra fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe « Ralanto ». Nivadika vokatr’izay kosa ny fiara nentina ary naharatrana olona maromaro tao anatiny. Voalazan’ny angom-baovao fa lasan’ireo olon-dratsy ny vola rehetra tao amin’io fiara io, niaraka tamin’ny entana sasantsany.
Araka ny fanaon’ity mpivarotra ity, dia mandeha mitety ireo tsena rehetra misy any amin’iny faritra Bongolava iny tenany. Tamin’io andron’ny alakamisy io dia avy namonjy tsena tao Bemahatazana izy sy ny fiarany. Niaraka tamin’ny olona hafa izy tamin’io fotoana io, izay nipetraka taoriana. Teny an-dalana anefa, tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any, raha iny izy hihazo ny renivohitr’i Bongolava iny, no nipoitra avy hatrany ny dahalo maromaro : teo amin’ny enin-dahy tany ho any ary samy nirongo zava-maranitra sy basy, nanankan-dalana azy ireo. Ankevitry ny efa nomanin’ireto farany ny fanafihana ary niandry fotsiny ny fandalovan’ny fiaran-dRalanto izy ireo. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia tifitra no niantefa teny amin’ilay fiara ary nahazo ny mpamily. Maty tsy tra-drano ity farany raha nahazo ny faritry ny lohany ny bala. Mazava ho azy fa tsy nisy nifehy intsony ny familiana ny fiara ary niafara tamin’ny fivadihany izany. Nanao izay danin’ny kibony avy eo ireo olon-dratsy. Vantany vao nitranga moa ity tranga ity dia efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana. Nanampy tamin’ny famonjena ireto tra-doza izy ireo ary nanokatra ny fanadihadiana, hikarohana ireo nahavanon-doza.
Taorian’ity zava-nitranga ity moa dia maro amin’ireo mpanara-baovao ny mametram-panotaniana mahakasika ny resaka tsy fandriampahalemana ao an-drenivohitr’i Bongolava ao. Tao anatin’iny herinandro iny mantsy dia maromaro ihany ny zava-nitranga, raha tsy hiteny afa-tsy ny fanapahan-doha olona tao Analamisakana, ny fahafatesana mpitandro filaminana mpanara-dia dahalo ary ilay zaza matin’ny basin’ny ray aman-dreniny .
m.L