- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversAntsahavola : Lela notatahana “lame”, lasa ny volabe

Antsahavola : Lela notatahana “lame”, lasa ny volabe

Notatahana tamin’ireny “lame” ireny ny lelan’ilay raim-pianakaviana. Nandritra ny fanafihan-jiolahy niseho tao Amboasarikely-Antsahavola, no nisehoan’izany habibiana izany. Tonga nanafika tao amin’ny tokantrano iray ireo jiolahy roa, tamin’ny 11 ora latsaka fahefany alina. Basy P.A iray sy sabatra no nampiasain’ireo tamin’ity asaratsy ity. Fantatra koa fa, vola an-tapitrisany, niaraka tamin’ny firavaka volamena ary koa ny kojakojan-tokantrano mora bataina no lasa nandritra ny fanafihana. Tsy nirefotra ny basy, saingy niraraka eran’ny trano ny rà. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana ny naratra ary nampandrenesina ihany koa ny mpitandro ny filaminana. Natao ihany ny fisafoana, saingy poa toa izay dia nanjavona tao anatin’ny elanelan-trano marobe an’Amboasarikely sy Antsahavola ireo roa lahy. Matetika fandalovan’ireo olona avy miasa alina iny toerana iny, satria avy hatrany dia mipoitra ao Analakely. Efa fantatr’ireo mpanendaka izany ka mahatonga ireo hihainohaino eny amin’ny elanelan-trano. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia niditra tao an-tranon’olona mihitsy ireo olon-dratsy ary nanao fanafihana. Midika izany fa rehefa misy basy izy ireo dia miitatra ny sainy ary sahy ny manafika tokantrano amin’izay.

D.R20

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser