Norovitin’ireo olon-dratsy hatramin’ny pataloa nanaovany mihitsy. Tsy iza no tompon’andraikitra tamin’izany, fa ireo zazakely manao andiany etsy amin’ny boriborin-tany voalohany. Vao avy nanaraka « cours » amin’ny teny anglisy tao amin’ny toeram-pianarana iray tsy miankina izy, no narahin’ireo ankizy marobe izay mody mangataka aloha dia avy eo manendaka amin’izay. Lasa avokoa na ny finday na ny kitapo ary rovitra hatramin’ny pataloa aza, araky ny efa voalaza etsy ambony. Niparitaka ireo ankizy avy eo ary tsy hita intsony izay hosamborina. Araka ny fantatra, dia efa misy mampiofana ireo andian-jaza manendaka eny amin’iny faritra iny. Misy olon-dehibe mihaodihaody rahateo eo amin’ny manodidina eo ary miaro raha sendra ka misy ny fikasihan-tànana mitranga tampoka. Endrika iray isehoan’ny fanendahana eo amin’iny boriborin-tany iny ny fampiasana ireto ankizy tsy manan-kialofana ireto hanao asaratsy. Ireo ihany koa rehefa mihalehibe no lasa olon-dratsy ary miha-mivelatra ny asa ataony : fanafihana mitam-basy sns. Mora amin’izy ireo ny fanatontosana asaratsy, satria saika eo Analakely avokoa no miainga ny vaovao momba izay misy ny vola. Eo ihany koa ny tambajotra samihafa no miasa ary porofon’izany, mpibizna telefaonina teo Analakely ny iray tamin’ireo mpanao fakàna an-keriny ny tale jeneralin’ny Conforama.
D.R