Raha tsy nahay nitsambikina avy eny ambony môtô ilay mpitondra azy dia maty tsy tsa-drano voahitsaky ny kamiao. Tao anatin’ny oram-be, ny sabotsy lasa teo no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity. Samy niala lavaka na ilay fiara na ilay môtô izay nandeha tamin’ny làlana mifanohitra. Vokatr’izany dia samy niala tamin’ny làlana mahitsy kinanjo saika ny aina no nafoy ho an’ilay mpitaingina môtô. Midika izany fa tsy voatery ho tsy fitandremana hatrany ny miteraka lozam-pifamivoizana eto an-drenivohitra fa indrindra koa ny haratsin’ny foto-drafitr’asa, ny làlana indrindra indrindra.
D.R