Dia samy variana avokoa ny mponina teny amin’ny manodidina an’Antsakaviro sy Ambodiroatra, omaly, nahita fatin-dehilahy iray tokony ho eo amin’ny 30 taona, tao anaty rano. Hatramin’izoa aloha tsy fantatra marina izay antony nahatonga ny razana tao anaty rano. Nilazana ny tompon’andrikitra isan-tsokajiny ary efa tonga teny an-toerana naka ny razana sy nanatitra izany any amin’ny tranom-paty Ampefiloha. Toa tsy nahitana ratra mivantana ny vatany. Vao mainka koa nanahirana ny mpitazana ny nahafantatra fa tsy dia rano be manao ahoana no misy eny an-toerana, nefa dia nahafaty olona. Dia samy nanana ny filazany ny rehetra mikasika izao zavatra izao. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao fotoana izao.
r.s.