Ela nitoratorahana ity olona iray, izay efa malaza ratsy amin’ny resaka fisolokiana amin’ny varotra finday, ao anaty tambajotra sosialy ao. Omaly atoandro izy no tratra ambodiomby tetsy Antsakaviro, raha mbola saika nidingin-drambo, nahavita ny asa ratsiny indray. Ny somary nampihomehy dia nampitahotra tamin’ny alalan’ny hoe fahafantarany mpitsara ity mpisoloky raha toa miantso mpitandro filaminana ireto olona nahasambotra azy. Rehefa nidrikina ihany anefa ireo lasibatra ka tonga ny mpitandro filaminana dia vaky tomany sy latsa-dranomaso ranamana. Araka ny fantatra dia tonga nivarotra finday avolenta tamina olona iray teo Antsakaviro ity lehilahy ity, izay miendrika teratany vahiny, ary milaza fa tsy mahay teny gasy. Lafony ny entana ary saika hitsoaka izy kanjo nisy nahafantatra tampoka. Olona voany an-tapitrisa mahery ity sendra azy ity ka dia nifanenjehana, ary tratra. Marihana fa finday hosoka sy tsy amin’ny tokony ho izy akory no amidiny amin’ny vidiny lafo sy lazainy fa avolenta. Ary olona efa maromaro no lasibatra sy mitaraina fatratra anaty tambajotra sosialy ao. Ela nitoratorahana araka izany ranamana izao tratra izao. Ambonin’ilay izy nigogogo nitomany teo anatrehan’ny olona sy ny mpitandro filaminana moa dia hay mahay miteny malagasy tsara ity mpisoloky ity. Amin’izao fotoana izao tokoa dia mahazo vahana tanteraka ity varotra ao anaty tambajotra sosialy ity. Noho izay sehatra miroborobo izay dia isan’ny tokotany ankafizin’ireo mpisoloky izy ireo, ka kojakoja ara-teknôlojia, toy ny finday sy ny solosaina matetika no tena ahavoazan’ireo. Ankoatra ireo tontakely maro isan-karazany avy eto amintsika dia mirotsaka amin’izay asa ratsy izay ihany koa ny teratany vahiny sasantsany, raha tsy hiteny afa-tsy ilay sinoa mitety vohitra milaza fa mivarotra solosaina avo lenta, na ireo teratany vahiny, tsy miteny gasy, tsy misy frantsay ary tsy mahay teny anglisy akory, izay tsy fantatra hoe avy aiza.
m.L