Tsy fisamborana akory no nitranga fa ny jiolahy indray no nanao ny asany, ary tsy misy tahotra na ny kely aza. Nobatain’ireo avy tao anatin’ny fiarany, izay nijanona amoron-dàlana, ny mpamily. Amin’ny andro antoandrobe, tokony ho tamin’ny folo ora, no nitranga izany tetsy Antsakaviro tsy mifanalavitra amin’ny fivondronana. Fomba fanendahana hafakely izy ity ary ny tena nahatalanjona izay nahita dia ny fahasahian’ireo olon-dratsy. Ao anatin’ny fotoana tena nivezivezen’ny maro no sahy nanao ny asany ireo. Lasa ny finday sy izay entana netinety tamin’ireo jiolahy. Gina tsy nahateny ny tompon’ny fiara. Ny olona nahita dia tsy sahy niditra an-tsehatra mivantana fa niezaka nitady mpitandro ny filaminana teo amin’ny manodidina. Nandamoaka izany satria tena tsy nisy mihitsy, kanefa amin’ny fotoana mitovy dia matetika misy mandamina filaminana eo an-toerana. Amin’izao fotoana koa izany, raha zohina tamin’ity tranga ity, dia mila manidy sy mihipoka ao anaty fiara ny mpitaingina izany. Tsy voatery hanana izany safidy izany anefa ny fiara tsirairay avy satria misy ireo izay tsy mbola misy rivotra mangatsiaka. Ary na misy aza dia misy koa ny mpamily tsy afaka migalabona loatra amin’izany, satria mampiakatra ny fihinanan’ny fiara solika. Dikan’izany, rehefa tsy afaka manidy ny varavaram-pitaratra izany dia mila mailomailo be na farafaharatsiny manidy ny fitaratra hatreo amin’ny afovoany.
D.R