- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversAntsakaviro : Taxi-be tapaka « frein », olona 7 naratra

Antsakaviro : Taxi-be tapaka « frein », olona 7 naratra

Nitsosona teo afovoan’ny lalana ilay fiara mpitatitra. Maro ny mpandeha naratra.
Nitsosona teo afovoan’ny lalana ilay fiara mpitatitra. Maro ny mpandeha naratra.

Na dia kivy aza ny mpanjifa amin’ny hafitsoky ny fiara mpitatitra, tsy maintsy mandray taxi-be. Omaly tamin’ny 12 ora mahery tany ho any, nisehoana lozam-pifamoivoizana teny Antsakaviro. Taxi-be iray 128 no niteraka izany. Araka ny loharanom-baovao, tapaka ny “frein” ary tsy voafehan’ny mpamily intsony ilay fiara. Nitady ny hevitra rehetra hampijanonana azy ny mpamily. Fiara kely iray teo alohany no nodominy, avy eo nivadika nitrosona tamin’ny arabe ilay izy. Samy tsy nisy afaka nihetsika ny mpandeha tao anatiny fa dia niandry izay nigadonany fotsiny. Vokany, olona fito no fantatra fa naratra ary niheren-doza ny ambiny. Ireo niharan’ny voina, nalefa avy hatrany tany amin’ny hopitaly. Ny vaovao voaray no nahalalana fa nanala olona ity fiara ity tery ambonimbony. Avy aty Ambohijatovo ho any Ankatso. Raha voa niainga anefa dia nahita ny mpamily fa tsy nandeha amin’ny laoniny intsony ny fandehan-javatra. Ireo rehetra nahita izany dia samy nihoraka avokoa. Soa ihany, hoy ny sasany, fa nandona ilay fiara kely teo aloha izy. Raha tsy izany angamba dia ho nianjera tany amin’ny toerana hafa. Tsy fantatra amin’izany izay ho vokany. Ireo mpanjifa marobe mitaingina ireo zotra ho any Ankatso ireo dia kivy tanteraka ary samy milaza fa tsy miraharaha mpandeha ny mpitaky vola, tsy mahalala fomba, ary mandeha mafy ny mpamily.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser