Tranga hafahafa no niseho tetsy Antsakaviro, omaly folakandro. Lehilahy iray, teratany vahiny no nibahana fiara iray nandalo. Soa fa tafajanona avy hatrany ity fiara ity. Mbola tao anaty fitohanana ihany koa moa ka somary nandeha mora. Nijanona elaela teo alohan’ity fiara ity ranamana ary tsy vitan’ny hoe nobahanany teo amin’ny lohany mihitsy ilay fiara fa mbola naborotsany ihany koa ny pataloany, toy ireny lehilahy handeha hivalan-drano ireny. Ary dia teo izy, tsy nihetsika intsony. Variana avokoa ny mpandalo rehetra nahita ity fihetsika hafahafa nasehon’ity lehilahy ity ka samy nanontany tena ny antonin’izany. Vao mainka moa nampitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana izany tranga izany ka voatery niditra an-tsehatra ny polisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborin-tany fahatelo, miandraikitra iny faritra iny. Ireto farany no niezaka nandamina ilay lehilahy ary nanala azy teo alohan’ilay fiara. Satria fihetsika nanelingelina ny maro ilay izy, dia voatery ireo mpitandro filaminana nitondra azy. Raha ny fanazavana azo, dia tratry ny aretina tampoka « malaise », hoy ny filazan’ny tompon’andraikitry ny pôlisy ity lehilahy ity. Ambonin’izay ihany koa dia fantatra fa tsy dia salama saina loatra ny anao lahy, izay antony nanaovany izany fihetsika izany. Efa tonga teny an-toerana ihany koa moa ny fianakavian’io rangahy io, nanazava tamin’ireo mpitandro filaminana. Ary rehefa nazava ny resaka, dia nalefa ihany ity farany . « Tsy afaka ny hitana azy izahay satria efa fantatra fa tsy dia salama saina loatra izy. Ilay tompon’ny fiara nobahanany sy nanaovana fihetsika hafahafa rahateo tsy nametraka fitarainana » hoy hatrany ny avy eo anivon’ny pôlisy.
m.L