- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAntsakaviro : Tovovavy naratra, natsipy avy tao anaty 4X4

Antsakaviro : Tovovavy naratra, natsipy avy tao anaty 4X4

Ny zoma tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina, no nisian’ity tranga ity, teo Antsakaviro, tsy mifanalavitra loatra ny fivarotan-tsolika. Nisy fiara tsy mataho-dàlana iray nirifatra mafy ary tsy nijanona na nosakanan’ny pôlisy aza. Nohitsiany avokoa ireo mpitandro ny filaminana ary raha tsy nahay niala aza dia voahitsaka teo. Segondra vitsy taorin’izay, dia nisy vehivavy iray efa naratra, natsipin’ireo olona tao anatiny. Tapaka ny tongony raha araka ny vaovao azo voalohany noho ny fianjerana. Ilay fiara kosa nanohy ny diany nirifatra nitsoaka taorian’izay. Raha araka ny fanazavan’ilay vehivavy, dia olona roa izy ireo no nalaina an-keriny. Avy any Fianarantsoa izy ireo ary ny zokiny vavy raha araka ny fanamarinam-baovao hatrany ny iray amin’ireo vehivavy mbola nentin’ilay fiara niaraka aminy any. Nezahina nantsoina ny pôlisy miandraikitra io boriborintany io ary nilaza izy ireo fa mbola tsy nisy nampita taminy ny zava-nitranga. Olona teo an-toerana ka naheno ny fanazavan’ilay vehivavy no niteny, fa avy any Fianarantsoa ireo vehivavy roa, saingy tsy mazava kosa raha tany no nangalana azy na tsia. Na izany aza, dia nilaza fa tsy mbola mahafantatra na inona na inona eto Andrenivohitra ilay tovovavy nisy nanary.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici