Ny alarobia teo no voasambotry pôlisy avy etsy amin’iny boriborintany fahatelo etsy Antaninandro ny roalahy isan’ny nanafika teratany vahiny teny amin’iny faritra Antsakaviro iny. Efa kendry tohina mihitsy ny an’ireo olon-dratsy ireto, satria raha ny fantatra dia efa narahan’izy ireo hatrany amin’ny toerana nialàna ity vazaha ity. Iny izy handeha hiditra ny tranony iny no nanantanterahan’izy ireo ny asa ratsiny. Tifitra “big boss” avy hatrany no niantefa teny amin’ity olona voatafika ity. Tampoka loatra ny fanafihana ka tsy afa-nanohitra velively ity farany. Lasan’ireto olon-dratsy tamin’izany izay zavatra sarobidy rehetra teny aminy, niaraka tamin’ny vola maromaro. Taorian’io no nametraka fitoriana avy hatrany tetsy Antaninandro ity teratany vahiny ity. Nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ireto tompon’andraikitry ny filaminana ireto, tamin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Ny alarobia tolakandro no fantatra fa hita teny Tanjombato sy Ampefiloha ireo roalahy nanafika, ka tonga teny ireo pôlisy nisambotra azy ireo. Raha ny fanazavàna azo dia mpitondra taxi ny iray tamin’izy roalahy ireto ary efa niasa sy nitondra ity vazaha ity rahateo. Fantany amin’ny antsakany sy andavany tokoa araka izany ny fomba fanaon’ity mpampiasa azy taloha ity : ny toerana falehany, ny fotoana fodiany, ny lalana handehanany fa indrindra ny vola kirakirain’ilay vazaha amin’ny andavanandro. Tamin’izay no nampitsiry ny hevi-dratsy tao aminy ny hanafika azy, niaraka tamin’ilay namany. Nahomby tokoa ilay tetika tam-boalohany saingy dia izao niafara tamin’ny fisamborana azy ireo izao. Ny alakamisy teo moa izy ireo roalahy ireto no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nampidirina am-ponja vonjimaika.
m.L