Ny zoma vao maraina teo, dia nitrangana asan-dahalo mahery vaika tany Betsatsango- Antsalova. Omby manodidina ny zato no nalain’ireto dahalo niaraka tamina takalonaina.Manoloana izany dia nanatanteraka fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona teny an-toerana. Ny tafika kosa dia tsy namela azy ireo hiady irery, fa nanampy tosika tamin’ny fandefasana olona hanampy amin’ny fikarohana ny fananany sy ny fanavotana ireo mpiarakandro lasa takalonaina.Tsy naharitra ela anefa dia efa nahitam- bokany ity fanarahan-dia ity. Avotra soamantsara ireo takalonaina ary tafaverina tsy nisy very ireo omby rehetra nangalarin’ireto dahalo ireto. Fety sy korana no nameno ny tanàn’Antsalova, ny asabotsy maraina fotoana nahatongavan’ireto mpanara-dia.Nentin’izy ireo nanehoana ny hafaliam-pony tamin’izao fiverenana izao, dia nanapoaka basy mihitsy teo am-pidirana ny tanàna. Nivadika ho andro firavoravoana,fisotroana, famonoana omby moa ny andro asabotsy teo tany an-toerana. Ireto dahalo kosa dia tsy nisy voasambotra fa tafatsoaka avokoa. Raha ny vaovao azo avy tany an-toerana, dia ity no asan-dahalo nitranga voalohany tamin’ity taona 2017 raha ho an’ny faritra Antsalova manokana.
Kanto R ( Stagiaire)